<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>251</hymn_number>
<title>Ry Jeso Zana-Janahary FFPM251</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Zana-Janahary
 Sy fototry ny aim-baovao !
 Mba aniraho ny Fanahy
 Izao madinikao izao.

[V2]
 Ny fahafatesanao nandresy
 No aoka hitombonany,
 Ny herinao tsy mety resy
 No mba ho fiarovany.

[V3]
 Ka ny Anaranao hajaina
 Dia mba omeo ny zanakay ;
 Ka io no hialany aina
 Sy hitsanganany indray.

[V4]
 Tantano izy tsy ho osa,
 Raha lavitra ny diany ;
 Fa raha fohy izany kosa,
 Mba raiso ny fanahiny.

[V5]
 Ka mba soraty ao am-pony
 Ry Tompo, ny Anaranao,
 Ka ny anaran'ny mpanompo
 Soraty ao an-tananao.</lyrics>
<author>L.M. Linderman</author>
</song>